|
|
|
|

Entry1  Asa izany
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
5  Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny 6  Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga ! 7  Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana 8  Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga.
9  Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran’ny voninkazo 10  Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany ! 11  Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo 12  Anoloan’ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany.
13  Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo 14  Sa ny vorona mikalo no iventesako anao mandalo 15  Nitondra hira tamin’ny fiainako 16  Nangina hira an-taona maro!
17  Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako 18  Hatramin’ny niarahantsika dia mientana ny foko 19  Ka mivetso ny fitiavana
20  Ny antony… fantaro.

Anagrams  21  Asa izany, asazinay, isaziana

Updated on 2025/05/06